Manjakandriana : mpamaky trano telo lahy voasambotra

Tsy mety fa ! Tratra ireo mpamaky trano telo lahy tao amin’ny fokontany Nangane­hana, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manja­kandriana, omaly maraina. Ta­min’ny 2 ora, nitondra fi­taovam-piadiana mahery vai­ka ka nandroba tsenakely iray izy telo lahy. Voaroba ny entana toy ny paty, bisiky, hatramin’ny voamaina. Nirifatra nandositra avy hatrany ireto farany rehefa nahazo izay nilainy.
Raikitra ny fanarahan-dia, niarahan’ny fokonolona sy ny zandary. Vokany, jiolahy telo voasambotra. Tratra ny basy mahery vaika sy bala folo. Tafaverina ny entana nangalarina. Atao fanadihadiana ireo jiolahy ka hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Maro ny tokantrano efa lasibatr’izy telo lahya any Manjakan­dria­na, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

Jean Claude

Partager sur: