Miss Maman 2023 : voalohany i Zafindrasoa Elisoa

Tontosa ny 3 jona 2023, teny amin’ny Residences Andrianirina Ivato, ny dingana famaranana tamin’ny fifaninanana «Miss Maman Ma­da­gascar 2023», andiany Mamiratra. Fifaninanana na­ne­hoan’ireo reny ny fahaizany sy ny hatsarany. Zafindrasoa Elisoa Murelle no nahazo ny laharana voalohany tamin’ity andiany ity. Fahalalana ankapobeny sy tetikasa no nen­tin’ireo mpandray anjara 24 mirahavavy nandresy lahatra ny mpitsara ankoatran’ny bika sy tarehy. Tanjona ny hivoahan’ny reny iray mpandresy mendrika ilay lohahevitry ny fifaninanana hoe “Mère veil­leuse”.
Fifaninanana natao hifampizarana sy hampitomboana ny traikefa sy fahaiza-mana­on’ny reny ny “Miss Maman Madagascar”. Ankoatran’ny fifaninanana sy nifampizara ny fomba fitaizana, ny fikolokoloana vatana ary fikarakarana tokantrano ireo reny nandray anjara. Mbola hisy ny tohin’ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpikarakara, ary vina ny hampivelarana sy hanatsarana izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: