Nitohy, omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahefatra sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “XXL Top 20”. Nandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’izany, ny kaominina Antananarivo renivohitra Uscar, nandavo ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa mazava. 53 no ho 16. Tsy nahatohitra an-dry Toussaint sy ry Heriniaina nampian’i Alberto mihintsy ny mpilalaon’Ankady. Kinga sy mailaka ny Uscar tao anaty “avant” ka nanahirana an-dry Ando sy ry Mbolatiana ny nanakana izany. Ankady anefa no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’ny “coup de pied de penalité” voatsaran’i Faniriniaina, teo amin’ ny minitra faha-10. 5 mn taorian’ izay nahatsindry baolina ny Uscar saingy tsy voatsara. Nanomboka teo nofehezin’ ny Uscar ny lalao. Efa nitarika tamin’ny isa, 15 no ho 9 ry zalahy, teo am-pialan-tsasatra.
Fidirana faharoa, nahatsindry baolina nenti-tanana Ankady ary voatsara ka nitarika tamin’ny isa, 16 no ho 15 indray izy ireo. Nanaitra ny hambom-pon’ny Uscar izany ka sesi-lany ny baolina nentin-tanana matin’izy ireo. Teo amin’ireo vokatra hafa, resin’ny 45 no ho 25 ny SCB Besarety ary lavon’ny FTM, tamin’ny isa, 40 no ho 34 ny 3FAI ary Mang’Arts nanilika ny JSTA Ambondrona, 47 no ho 21.
Tompondaka