Toetry ny andro : hiakatra ny maripana eto afovoan-tany

Ao anatin’ny telo andro manaraka, ny tsioka malefaka miovaova no mandrifitra ny toetry ny andro manerana ny Nosy. Any avaratra Atsina­nana ihany no hahazo vahana ny tsioka alizay mitondra orana.
Hisitraka izany ny any Analanjirofo, Atsinanana…, hoy ny teknisianina eny Am­pandrianomby, omaly. Noho ny fisian’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy,ho maimaina ny toetry ny andro amin’ny faritra rehetra. Eto afovoan-tany, hiakatra ny maripana ambony, 26°C fa mbola mangatsiaka kosa ny maraina 12 na 13°C. Efa ao anatin’ny vanim-potoana ririnina izao. Ho an’Antananarivo manokana, hifandimby ny rahona sy ny masoandro fa ny masoandro no bebe kokoa mandritra ny tontolo andro. Ny alakamisy vao hisy fiovana.

Momba ny toetry ny andro anio, ny tolakandro, hanorana malefaka any amin’ny tapany atsimon’i Sava ary ny morontsirak’i Analanjirofo. Handra­hona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa. Ho an’ny maripana, eto An­tananarivo, mahatratra 14°C ny ambany indrindra raha 26°C ny ambony indrindra. Mbola mamirifiry any An­tsirabe satria 11°C ny maripana ambany indrindra raha 25°C ny ambony indrindra, anio.

Vonjy

Partager sur: