Nampifaninana ireo ankizy ao anatin’ny sekolin’ny baolina lavalava ny Malagasy rugby, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. “Tournoi Get into rugby” no natao, ho an’ireo kilonga latsaky ny 16 taona lahy sy vavy. Nahatratra 300 ireo nandray anjara, avy amin’ny AJS Mada, EREV ary ny Cheminots. Navitrika ireo ankizy izay samy nampiseho ny fahaiza-manaony ny tsirairay teny ambony kianja. Tsy ny fandresena loatra no zava-dehibe, hoy ireo tomponandraikitra fa fampidirana tsikelikely azy ireo ao anatin’ ny tontolo. Ao anatin’ny fandaharanasa amin’ny fampiroboroboana ny taranja rugby miainga eny ifotony, rahateo ny “Tournoi Get into rugby”.
Tompondaka