Noraisim-potsiny! Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa tratra teo am-pangalarana cageot feno zava-pisotro sy elobe tamina toeram-pivarotana iray eny Betongolo, omaly. Nahasambotra azy ireo ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3), Antaninandro. Naharay fitarainana avy amina mpivarotra iray eny Betongolo izy ireo, omaly, milaza ny fisiana lehilahy roa nangalatra tao aminy.
Nidina teny an-toerana ny polisy nanamarina izany. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy, izay tsy mbola lasa lavitra ny tsena.tsy afa-namaly, mbola teny avokoa ny entana nangalarina. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Tsy fantatra saika hosotroina na hamidiny ireto zava-pisotro nangalarina.
Jean Claude