Anjozorobe: lavon’ny bala i Dah, jiolahy raindahiny

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny jiolahy raindahiny iray, fantatra amin’ny anarana hoe Dah, tao Ambatomanoina Anjozo­robe, omaly. Mpiara-miasa tamin-dry Iarisy, izay efa lavon’ny zandary ny faran’ny volana marsa teo, izy ireo. Nanohy ny asa ratsiny hatrany ry Dah sy ny namany. Nihao­dihaody tao amin’ny kizo manodidina ny tanànan’i Be­lavabary, fokontany Ano­sikely, kaominina Ambato­manoina izy ireo. Maka vatsy sy miafina mpitandro filaminana ireto jiolahy ireto. Teo am-panatanterahana ny paikady hisamborana an’i Dah sy ny jiolahy iray namany, notsenain’ireto farany tamin’ny tifitra ny mpitandro filaminana. Nampiasa ny basim-borona teny aminy ny olon-dratsy saingy tsy nahavoa ny zandary. Vokany, lavo nandritra ny fifampitifirana i Dah. Niri­fatra nandositra ilay namany. Latsaka teny amin’ireo mpam­pihorohoro vahoaka ao amin’ny kaominina Ambato­ma­noina ireo ny basy vita gasy iray.

Tsiferana R.

Partager sur: