Notokanana omaly, ny salle d’informatique eny amin’ny sekolim-pirenena ho an’ny fitantanan-draharaha eto Madagasikara na ny Ecole nationale de l’administration malgache (Enam), eny Androhibe.
Ahitana fitaovana informatika maro ity toerana ity izay ahafahan’ireo mpiofana manaraka antsakany sy andavany ary amin’ny fomba maoderna ny fiofanana. Hanatsarana ihany koa ny fikirakirana ny asam-panjakana, amin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Mitentina 25.000 dolara ireo fitaovana azo tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Pnud sy USAID, tamin’ny alalan’ny tetikasa «Rindra». «Zava-dehibe ny fahazoana izao fitaovana izao. Ilaina ihany koa ny haitao ara-kajy mirindra fa fangaraharana ny asa fampandrosoana ary fampiofanana an’ireo mpiasam-panjakana ho an’ny fitantanan-draharaha eto Madagasikara», hoy ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Jean Bosco, nandritra ny lahateniny, omaly.
Miara-miasa
Marika fa misokatra amin’ny mpiara-miombon’ antoka ny Enam amin’izao fahazoana fitaovana vaovao izao. Fa indrindra amin’ny fanatsarana ny fikirakirana ny asam-panjakana. Araka izany, hanamora ny fampiofana ny fahazoana fitaovana noho izy manaraka ny teknolojia. Manamora ny fifandraisana sy ny fivoriana ampitain-davitra ihany koa. Ary ny fifanakalozana amin’ny firenena any ivelany amin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Tsiahivina fa tetikasa fanamafisana ny fitondrana tsara tantana eto Madagasikara ny tetikasa «Rindra».
Henintsoa H.