Mbola ao anatin’ny «Volan’ ny teny malagasy». Tsy tafajanona eo amin’ny tsy fampiasana ny teny malagasy intsony ny Malagasy fa efa tonga amin’ny fankahalana na tsy fitiavana azy io mihitsy. Mitaky fahasahiana isan-tsehatra ny fanarenana izay lesoka izay. Ny ray aman-dreny ao amin’ny ankohonana, ohatra, no manatanteraka izany voalohany. Miteny, miresaka, manazava, mifanakalo hevitra, amin’ny zanaka, mampiasa ny teny malagasy ranoiray. Tahaka izany ihany koa ny eny amin’ny fiarahamonina, any amin’ny toeram-piasana, any an-tsekoly, sns.
Satria efa zary valalanamboa ny teny malagasy, noho izany, tsy mora ny manatanteraka ireo fa mitaky ezaka sy fahasahiana. Arakaraka ny halehiben’ny sehatra hiasana anefa no maha lahibe ny olana hatrehina ihany koa. Mila fahasahiana goavana, ohatra, ny milaza fa : «manomboka izao, ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra».
Lamina voajanahary ny tahaka izao, saingy, sarotra ho an’izay manam-pahefana hanao izany ny hiteny azy. Kanefa raha tsy tanteraka ny tahaka itony, mandeha ila avokoa ny ezaka rehetra.
HaRy Razafindrakoto