Fifaninanan-kira: hifarana ny «Tsara hira, tsara mozika»

Voahaja tsara ny lamina napetraka ! Faran’ny volana marsa, tapitra ny fisoratana anarana. Voalohan’ny volana avrily ka hatramin’ny 3 jona, notanterahina ireo dingana telo tsy maintsy nizoran’ny mpifaninana. Ny 10 jona izao, tonga eo amin’ny dingan’ny famaranana ilay fifaninanana «Tsara hira, tsara mozika» karakara­in’ny Sehatra Ba Gasy. Ao amin’ny efitrano malalaky ny tranom-piantohana Aro, etsy Antsahavola no hanatanterahana izany, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany. “Tanjona ao anatin’ny fifaninanana tahaka itony ny hampitombo ny fahalalan’ny olona ny atao hoe hira bagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiforonan’ny hira malagasy amin’ny ankapobeny. Ny sokajin-kira bagasy ary ny fivoaran’ny hira araka ny taona namoronana azy», hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Ba Gasy (SBG).
Marihina fa anisan’ny ezaka notanterahin’ny SBG ny nananganana ny «Redombe Ba Gasy», na ilay karazana antoko mpihira ivondronan’ireo mpihira bagasy tsy ankanavaka. Anisan’ny imasoan’izy ireo ny fampianarana hira bagasy sy ny momba azy ireny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: