Olona 47 tamin’ny 107 nosamborina no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony. Tafiditra ho anisan’ny voampanga ny depiote iray.
Niakatra teo amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha momba ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony, afakomaly. Nitohy hatramin’ny omaly maraina be izany ka 47 tamin’ny olona 102 niatrika famotorana no naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina fa 107 no voasambotra saingy natsahatra ny fanenjehana an’ireo olona dimy. Nambaran’ny lehiben’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana Fianarantsoa, Rabendrainy Tinah, nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa “manamafy ny vesatra anenjehana azy ireo ny zavatra nivoaka tamin’ny fanadihadiana sy ny teny navoakany, namatotra tamin’ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny famonoana olona”. Nanampy ny fanamarinana ny fisian’ilay lehilehy iray, mbola velona. Ity farany izay afaka namantatra tsara ny ankamaroan’ny olona namira famaky azy ireo. “Tsiahivina fa mbola naharitra ora roa mialoha ny fitsaram-bahoaka ny fifanazavana. Nampandalovina teo anoloany ireo voampanga tsirairay ka nisy tadidiny ireo tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity”, hoy hatrany ny fampanoavana.
Tsy afa-bela
Ankoatra ireo olona marobe naiditra am-ponja, tafiditra amin’ny taratasin’ady ihany koa anefa ny solombavambahoaka iray. Nanamafy izany ny lehiben’ny fampanoavana, izay nilaza fa “ny 75 isan-jaton’ireo olona natao fanadihadiana dia nanondro io depiote io ho nanome baiko mba hanao ity heloka ity. Izy tenany rahateo efa nanazava momba ity raharaha ity izay tsy mifanalavitra amin’ny voalazan’ireo olona niampanga azy”.
Efa nanao ny asany ny eo anivon’ny fampanoavana, araka ny voalazan’ity mpitsara ity. Nambarany fa tsy amin’ny maha solombavambahoaka azy fa ny anarany niverimberina.
“Voampanga ho nanao fanararaotam-pahefana, niray petsapetsa tamin’Andrianandrasana Andry Richard sy ny namany tamin’ny fanaovana io vono olona, narahina fihetsika feno habibiana io izy. Ny fitsarana ao Fianarantsoa efa nanao ny asany nanenjika satria sady miteny ny tenany izy no tazonin’ireo olona ihany. Saingy ny fanadihadiana no manohy izany rehetra izany”, hoy hatrany ny fampanoavana.
Tsy olon-dratsy
Nandritra ny resaka niarahana tamin’ny mpanao gazety, nilaza hatrany ny fampanoavana fa voamarina ny tsy maha olon-dratsy ireto lasibatra. Nohamafisin’ny olona nalaina am-bavany, toy ny lehiben’ny fokontany sy ilay antsoina hoe Raymond izay olona nifandray tamin’izy telo lahy namoy ny ainy, fa tena hanao raharaham-bato no anton-dia tany. “Nilaza i Raymond fa misy toeram-pitrandrahana any an-toerana fa mbola misy biby miambina ka mila hanaovana fomba. Tsy nisy ny resaka hala-jaza na halatra mpiantsena. Nandainga sy namadika izy satria efa andro maromaro no nivezivezy tany an-toerana izy rehetra. Hamonjy ny fotoana nifanomezana ireo vahiny matin’ny fitsaram-bahoaka”, hoy hatrany ny mpampanoa lalana.
Jean Claude
Tsy mety ny fitsaram- bahoaka…
Fantany tsara izy ireo satria mpivezivezy sy mpanao vato. “Sarotra ny hiteny hoe dahalo na tsy dahalo ireo olona ireo. Hatramin’izao aloha ny ato amin’ny fitsarana, mazava ny anton-dian’ireo olona ireo. Tsy voaporofo ny maha olon-dratsy azy. Raymond aza efa nilaza ny anton-dian’ireo olona ireo izay mitombina tsara rehefa natao ny fanadihadiana”, hoy hatrany izy. Nampita hafatra ho an’ny fiarahamonina ity mpahay lalàna ity fa efa misy rafitra napetraka handray andraikitra raha misy olona mampiahiahy na olon-dratsy. Vonjeo io rafitra io. Manentana ny olon-drehetra mba handray andraikitra ka tsy hanoro vilana olona. Aoka isika tsy hitarika olona amina fitsaram-bahoaka. Lazao ny olona ny lalàna sy ny tokony hatao fa aoka isika tsy hitarika olona amina fitsaram-bahoaka. Heverin’ireo olona fa haharo azy ny olona manome baiko. “Tsy mety ny fitsaram-bahoaka fa raran’ny lalàna, efa misy tomponandraikitra mandray izany fa aza alaim-panahy hanao fitsaram-bahoaka fa izao ny vokany”, hoy izy namarana ny resany.