Mandritsara : vehivavy hita faty tao anaty rano

Natsingevan’ny rano ny fatim-behivavy iray tao Ma­rotandrano, distrikan’i Man­dritsara, omaly. Mpandalo maraina no nahita olona natsingevan’ny rano efa tsy misy aina intsony. Taitra, niantso vonjy tamin’ny ma­nodidina izy hijery ny zava-nisy. Vehivavy mponina anatin’io tanàna io ihany ity hita faty ity. Nikasa hamonjy alim-pandihizana, nivoaka ny trano izy ny alatsinainy alina niaraka tamin’ny sakaizany. “Efa tsy nifankahazo firy tamin’io sakaizany io izy saingy misisika hiaraka ami­ny ihany ilay lehilahy”, hoy ny loharanom-baovao ao an-toerana. Noho io tsy fifankazahoan-kevitra io, manahy ny fianakavian’ilay vehivavy fa novonoin-dralehilahy izy. Tonga nanao fizahana ny ra­zana ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. Voamarina fa nisy mangana teo amin’ny tendan’ilay vehivavy. Naratra koa ny ambany sofiny. Na­hitana lambaoany sy savony manamorona ny rano nahitana ny fatin’ilay vehivavy. “Efa novonoina izy io. No­sarontsaroman’ilay nahavanon-doza tamin’ny fametrahana savony teo amin’io toerana io anefa izany mba tsy hamantarana azy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ity raharaha ity ny zandary ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: