Tafiditra ho anisan’ny mpanatontosa, misitraka ny fampiofanana ho an’ny tanora misehatra eo amin’ny horonan-tsarimihetsika i Hary Joel, tanora mpanatontosa film malagasy. Mirahalahy izy ireo no misitraka izany fampiofanana izany. Mandritra ny roa herinandro, nanomboka ny 28 mey 2023 hatramin’ny 11 jona 2023 no hanatontosana izany, ao amin’ ny Ville de Trébeurden, Frantsa.
Roa herinandro ahafahana manoratra mahakasika ny tetikasany, eo amin’ny horonantsary fohy, no azon’i Hary Joel, tao anatin’ny Fond pour la jeune création francophone, niaraha-niasa tamin’ny Centre national du cinéma et de l’image animée (CNC) sy ny Collectif Generation Films. Ankoatra ity mpanatontosa malagasy ity, miaraka misitraka aminy izany tetikasa izany i Colon Assany, tanora mpanatontosa horonantsarimihetsika, avy any Kinshasa (RDC).
Mitohy hatrany ny fidirana ao anatin’ny sehatry ny matihanina ho an’ity tanora malagasy ity. Vao avy niatrika ny «Festival de Cannes 2023» niaraka tamin’ireo mpanatontosa malagasy voaasa tamin’ izany izy izao miatrika fiofanana izao indray.
Lin (Mpianatra asa)