Tale nahafaty olona : mitaky fitsarana ara-drariny ny ao Antsohihy

Hotanterahina ny talata 13 jona izao any an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fitsarana ilay lozam-pifamoivoizana ni­tranga ny 20 novambra 2022, tany Ambendrana. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana, nodomina fiaram-panjakana, nentina tale iray miasa any an-toerana.

Nambaran’ireo fianakavian’ny maty fa manantena sy miandrandra fitsarana madio sy araka ny rariny ary mangarahara ny vahoaka any Antsohihy.

Efa namoahan’ny fitsarana fanapahan-kevitra fampidirana am-ponja vonjimaika ilay tomponandraikitra ambony eo anivon’ny faritra Sofia, ahiana ho nahavanon-doza. “Mam­panahy anay anefa fa mety nisehoana kolikoly ny raharaha satria nivoaka ny fonja izy iray andro sy tapany, taorian’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”, hoy izy ireo. Nante­rin’ireo fianakaviana fa efa nikasa ny hitroatra ny mponina any an-toerana mahalala ity raharaha ity rehefa naheno izany.

Etsy andaniny, maro ireo nijoro vavolombelona nilaza ho nahita maso ny tranga niseho tamin’ny nandonan’ny fiara ilay olona ka nahafaty azy. “Nan­dositra avy hatrany izy taorian’izany… Manaratsy endrika ny fitsarana sy ny fanjakana aty an-toerana ny tahaka izao. Misy hatrany ny ambonin’ny lalàna sy manao tsindrihazolena ny hafa”, hoy ihany ny fianakaviana.

Tsiahivina fa mbola giazana eny amin’ny fitsarana hatramin’izao ilay fiaram-panjakana “Plaque rouge” sy fiara iray nentin’izy ireo nisotrosotro tany Ambendrana sy Anjingo ka nahatonga ny loza.

Synèse R.

Partager sur: