Vono olona tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy : voasambotra ilay jiolahy nahavanon-doza

Tra-tehaka, omaly, ny jiolahy namono nahafaty ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena misotro ronono, tao Ambatolampy Tsimahafotsy. Mpiambina taloha tao amin’io toerana namonoany ny tompon-trano io ihany izy.

Sarona, omaly, tao Anta­netibe Anativolo, Anjo­zorobe, ny lehilahy iray nihazona ny moto halatra sy ny findain’ilay namoy ny ainy vokatry ny asan-jiolahy tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy. Nodarohany ny tompon-trano ka maty, ny 17 avrily teo. Norobain’izy ireo, araka iza­ny, ny moto sy ny finday. Na­moahan’ny zandary ao Am­bohidratrimo filazana fikarohana io lehilahy nahiana ho nahavanon-doza io. Vokatry ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, tra-tehaka tao an-tokantranony ao Mahatsinjo, kaominina An­tanetibe Anativolo, distrika Anjozorobe ireo entana halatra. Noraisim-potsiny niaraka tamin’izany ity lehilahy no­karohina hatry ny ela ity. Efa mpiambina tao amin’io tanàna norobainy io izy taloha.

Telo any am-ponja
Voatondro ho tompon’antoka ary atidoha niketrika io raharaha vono olona tao Ambatolampy Tsimahafotsy io ity voasambotra ity. Raha tsiahivina, olona telo mianadahy no efa naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Anisan’izany, ny anabavin’ity lehilahy ity izay nalefa ao Antanimora. Notazonina any Tsiafahy kosa ny roa lahy hafa. Hiroso amin’ny fanadihadiana io lehilahy nahatrarana ny entana halatra io ny tomponandraikitra ka hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: