Airtel : Avahana ny fako

Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME), ny 5 Jona 2023 ny vondrona Airtel. Ani­san’ny hifantohany ny fiparitahan’ny fako plastika mandoto ny tontolo iainana. Maro ny hetsika nataony eo anivon’ny orinasa. Toy ny fampiasana vera tavoahangy ao am-piasana, fametrahana fitoeran-drano sotroina azo ampiana fa tsy mampiasa tavoahangy plastika, ahodina zavatra hafa indray ny fonon-javatra efa niasa, ferana ny fampiasana taratasy, tsy manota taratasy miloko, sns. Asiana dabam-pako manokana arakaraka ny karazam-pako. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Ecobak, manangona sady ma­navaka ny fako. Eo koa ny fambolen-kazo isan-taona. Aho­dina ho zavatra azo ampiasaina ny singa vy sy elektronika. Tsiahivina fa miompana amin’ny ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra sy ny tontolo iainana vokatry ny akora plastika ny lohahevitry ny JME tamin’ity taona ity. Nilaza ny Filoha tale jeneralin’ny vondrona Airtel Afrika, Segun Ogunsanya, fa « tsapanay ny lanjan’ny andraikitra raisinay hamonjena ny planeta mba ho an’ny taranaka. Paikady raisina ny fampandrosoana maharitra, mahatonga ny fanafoanana ny fako mampidi-doza ». Ho an’ny tale jeneraly ny Airtel Madagasikara, Eddy Kapuku, « mahafaly anay ny miray hina amin’ny governemanta malagasy amin’izao fankalazana ny JME izao. Tanjonay ny tsy hampiasana akora mandoto ny tontolo iainana intsony mialoha ny taona 2050 ».

Njaka A

Partager sur: