Andavamamba : jiolahy roa lavon’ny polisy

Nirefodrefotra ny basy tetsy Andavamamba, omaly hariva. Jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana maty voatifitra ny SAG raha nikasa handositra. Mi­isa dimy ireo jiolahy nifanenjehana. Tratra ny telo ka lavo teo noho eo ny roa, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Azo sambo-belona kosa ny iray. Tafa­poritsaka ireo namany. Ma­laza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ireto jiolahy tra-tehaka ireto. Raha tsiahivina, vao ny faran’ny volana avrily teo no nahafatesan’ny polisy ny jiolahy raindahiny iray nanamorona ny lakandrano eo Anda­vamamba. “Mate­tika isehoana fanendahana sy fa­nafihana mitam-piadiana ety, saingy tsy afa-manoatra ny mponina”, hoy ny loharanom-baovao iray monina eny an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: