Ankoay U19 – “Match amical” : nanao sahala 95 no ho 95 tamin’ny AIA Canada

Lalao ara-pirahalahiana roa no natrehin’ny Ankoay U19, omaly, tetsy Mahama­sina, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Hongrie, afaka tapa-bolana. Araka izany, ady sahala sy fandresena iray no azon’ny Ankoay nandritra ireo lalao roa ireo. Ny voalohany izay nifanandrinany tamin’ny klioban’ny AIA Canada, ka nisaraka ady sahala 95 no ho 95 ny roa tonta, rehefa niatrika fanalavam-potoana. Mari­hina fa klioba nafarana avy any Canada hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny An­koay ity klioba azo lazaina ho avo lenta ity. Teo amin’ny lalao faharoa kosa, ny ekipan’ny Cospn no nifanandrina tamin’ny Ankoay. Nahazo fandresena, tamin’ny isa 78 no ho 67, i M’Madi Mathias sy ny ekipany. Mbola mitohy hatrany ny fanazaran-tena sy fanomanana ataon’izy ireo hampitomboana ny fahaiza-manao sy hanamafisana ny fahai­za-miaraka eny an-kianja. Mpilalao 11 izao no efa mivondrona eto Antananarivo raha toa ka andrasana kosa ny fahatongavan’i Thesbon Sydney.

Ho any Serbie
Araka ny fandaharam-potoana, hanainga ny alatsinainy izao hihazo an’i Serbie, ireto Ankoay U19 ireto. Hia­trika fanazaran-tena sy lalao ara-pirahalahiana izy ireo mialohan’ny “World Cup U19” any Hongrie. Lalao miisa 4 eo no hataon’ireto mpilalaon’ny Ankoay ireto ao Serbie ary klioba manana ny maha izy azy avokoa no hifandona amin’izy ireo amin’izany.

Mi.Raz

Partager sur: