Nodinihina ary nolaniana fanindroany teo anivon’ny Antenimierampirenena, nandritra ny fivoriambe, omaly alarobia 7 jona, ny volavolan-dalàna laharana faha-005/ 2023, tamin’ny 12 avrily 2023, izay manavao ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany (Code minier). Nekena ary nolanian’ny solombavambahoaka avokoa ireo andininy sivy sy toko iray nitondran’ny Antenimierandoholona fanovana sy fanitsiana. Raha tsiahivina, lany nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona ny zoma 19 mey 2023, nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehana, ity volavolan-dalàna ity. Andinin-dalàna miisa sivy no nasian’ny Loholon’i Madagasikara fanitsiana tamin’izany. Anisan’ny fanitsiana natao ny ao amin’ny andininy faha-31 mahakasika ny fanomezan-dalana hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany. Ity andininy ity izay milaza fa : « ny fanomezan-dalana amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia azo, na amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitry ny minisitra misahana ny Harena an-kibon’ny tany na avy amin’ny foiben’ny volamena eto Madagasikara ».Nasiam-panitsiana ihany koa ny mahakasika ny fomba fitsinjarana ny vola miditra azo avy amin’ny tamberim-bidy amin’ny harena an-kibon’ny tany, ao amin’ny andininy faha-290 andalana fahatelo. Nankatoavin’ny loholona fa ny 10% ho an’ny « Fonds national de Péréquation », ny 90% ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay mitsinjara toy izao indray: ny 60% ho an’ny kaominina voakasiky ny tetikasa sy ireo kaominina iantraikan’izany, ny 30% ho an’ny faritra ary ny 10% ho an’ny faritany. Tsy hiverina eny anivon’ny Antenimierandoholona intsony, araka izany, ity volavolan-dalàna laharana faha-005/2023 ity.
Henintsoa H.