Notanterahina tetsy amin’ ny Carlton Anosy, omaly, ny famaranana ny volan’ny fiahiana ara-tsosialy izay natomboka tamin’ny volana mey lasa teo. Hetsika nokarakarain’ny minisiteran’ny Mponina, niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Fotoana nakana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjona ny hanatsarana ny paikady nasionaliny momba izany eto Madagasikara, raha ny fanazavana.
«Ambany ny tahan’ny mpiasa misitraka ny fiahiana ara-tsosialy eny anivon’ny orinasa satria manodidina ny 20% izany», hoy ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny asa sy ny lalàna sosialy, Razafimanantsoa Jerison. Nilaza izy fa tsara ny ezaka amin’ny fanaovana ny fandaharan’asa hijerena ny sosialin’ny mpiasa sy ny sokajin’olona sahirana toy izao. «Mila havaozina ihany koa ny fehezan-dalàna mikasika izany satria tsy mamaly ny filàn’ny vahoaka malagasy intsony», hoy izy nanamafy. Mba hijerena ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny vahoaka malagasy iray manontolo.
Anisan’ny nodinihina nandritra ny fihaonana ny fiahiana ara-tsosialy andraisana anjara na mandoa latsakemboka. Nivoitra tao koa ny fijerena ny tolotra tsy misy latsakemboka. Ezahina ny hampahafantatra sy hampiditra tsikelikely ny olona ho amin’ny fiahiana ara-tsosialy misy latsakemboka, raha ny fanazavana. Voakasiky ny paikady avokoa ny mpiasa rehetra eny anivon’ny orinasa ary hitarina any amin’ireo miasa tena izany.
Mino (mpianatra asa)