Hiompana betsaka amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra (Eco responsable) ny « Foire internationale de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche » (FIA), amin’ity andiany fahadimy ity. Hatao ny 21 hatramin’ny 24 septambra izao eny amin’ny parc des expos, Forello Tanjombato, ny hetsika. Tanjona ny hamory ireo mpisehatra rehetra amin’ny toerana iray. Omaly, namory ireo mpandray anjara amin’ny hetsika ny mpikarakara mba hifampizaran’izy ireo fahalalana sy traikefa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Indrindra ny anjara biriky entiny eo amin’ny toekaren’i Madagasikara. « Omena sehatra ireo mpandraharaha hivondrona sy hampiranty ny vokatra malagasy mandritra ny FIA. Ary koa mba hampisongadina ny tsena anatiny sy ivelany » , hoy ny fanazavan’i Gérard Monloup, filoha mpanorina ny Hazovato Forello Expo sady mpikarakara ny hetsika.
Hetsika hafa
Ankoatra izay, mbola hatao eny an-toerana ihany koa ny salon international de l’habitat, ny 19-20-21-23 oktobra ho avy izao, izay hankalazana ny faha-25 taonany. Sy ny salon international du transport, de la logistique, de la maintenance, ny 16 ka hatramin’ny 19 novambra izao. Tanjona napetraky ny mpikarakara ireo hetsika telo ireo ny hampiroborobo ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra rehetra hampandrosoina ny toekaren’i Madagasikara. Toy ny mpanjifa, ny mpamokatra sy mpamorona ary ireo mpitsabo biby anatin’ny andro vitsy.
Henintsoa H.