Hahazo anjara ny ray : hisy ny « Hiram-pitia ho an’i Dada »

Andro vitsivitsy izay no lasa, notolorana fanomezana izay heverina fa nanandrify azy ny reny. Tsy ho diso anjara ihany koa ny ray, afaka andro maromaro. Hanatante­raka seho natokana ho azy ireo ny tarika Gasy Miangola sy ny Andriampaniry. «Hi­ram-pitia ho an’i Dada», hotontosaina eny amin’ny efitrano malalaky ny Karaoke 411, Ambatolampy Tsima­hafotsy, ny alahady 18 jona izao, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro.
Tsy hiala lavitra ny hira momba ny ray ireo hira hokaloin’ireto tarika roa miangaly ny kalon’ny fahiny sy ny hi­ran’ny omaly ireto. Manana maro amin’izany rahateo ireo mpamoron-kiran’ny taona 1950, 1960, … 1970… Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny ankohonana, eo amin’ny tontolon’ny fitiavana, sns, ny ray. Noho izany, hokaloina eny an-tsehatra ihany koa ny momba ireo.
Tarika Gasy Miangola, mandia ny faha-25 taona nijoroany. Andriampaniry mianadahy, tanora misandratra eo amin’ny famelomana ny ka­lon’ny omaly. Samy hanakaiky ny mpitia zavakanto izy ireo amin’io fotoana io.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: