Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny kintana maintin’i Ghana, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny Can 2024. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana no tonga amin’ny fampivondronana, etsy Mahamasina.
Efa ao anatin’ny fanomanan-tena amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana avokoa no miatrika izany. Nambaran-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra, fa ho tonga amin’ny 10 jona ho avy izao ny ampahany voalohany amin’ireo mpilalao mpila ravinahitra ary ny 11 jona ny andiany faharoa. Ho feno tanteraka ireo mpilalao rehetra manomboka ny 12 jona 2024.
Tsiahivina fa manomana ny lalao miverina hikatrohana amin’ny kintana maintin’i Ghana ny Barea de Madagascar, eo amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2023. Fihaonana, hatao etsy Mahamasina ny 18 jona ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana.
Na tsy tafita amin’izany fihaonana izany intsony aza ny Barea, mbola manan-danja ny lalao satria miverina manao lalao savaranonando i Madagasikara amin’ireo lalao manaraka raha ratsy ny filaharana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA).
Efa nanomboka ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny fampivondronana ka niatrika izany ireo mpilalao tsy mandray anjara amin’ny Play-offs-n’ny Orange Pro League.
Anisan’izany, i Nina, mpiandry tsatoby, i Datsiry, i Berajo sy i Tantely Antoine ary i Tendry Mataniah
Efa tazana niaraka tamin’ izy ireo i Njiva Martin, mpilalaon’ny Ratchaburi FC any Thaillande, izay efa eto Madagasikara. Nasain’ny mpanazatra manaraka fanazaran-tena miaraka amin’izy ireo ihany koa i Ibrahim Amada, na tsy anisan’ireo voaantso ao anatin’ny Barea aza.
Tsiahivina fa farany ao amin’ny sokajy “E” ny Barea de Madagascar, tsy manana afa-tsy isa 1. Ity no fiarahan’i Rôrô, voalohany amin’ny Barea “A”, taorian’ny fametraham-pialan’i Nicolas Dupuis, tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy intsony.
Tompondaka