Nosokafan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Heritiana tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, ny atrikasa tanterahin’ny sampana miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny sampandraharaha momba ny raharahan’ny lalàna.
Nitarika sy nandrindra izany ny tale misahana ny raharahan’ny lalàna, Razanarivony Mialisoa. Nanatrika ireo adihevitra mifanandrify amin’izany ireo ratsamangaika rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoron’ny Tafika ary ny tomponandraikitra isan’ambaratongany avy. “Miompana amin’ny fametrahana paikady momba ny politika anatiny ho fiarovana ny fandraisana mpiasa amin’ny fomba mangarahara ity atrikasa ity”, hoy ny Tale misahana ny raharahan’ny lalàna. Nohamafisiny koa fa mifandray amin’ ny vinan’ny minisiteran’ny Fiarovana manoloana ny ady atao amin’ny kolikoly izao. Raisiny an-tanana mihitsy ny rehetra mahakasika ny ady atao amin’ny kolikoly eo anivon’ny minisitera. Nandritra ity atrikasa ity no nijerena manokana ny “reengagement” na ny fampidirana ireo miaramila rehetra nahavita ny fanompoam-pirenena sy ny fampidirana miaramila eo anivon’ny Tafika sy ireo mpiasam-panjakana sivily afaka alefa hiantsehatra eo anivon’ny minisitera sy eny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika.
Maro ny fitarainana voaray…
Ezahina fantarina mandritra izany ny hoe aiza ao anatin’ny rafitra arahina no misy lesoka ka hisiana hirika mahatonga ny kolikoly. Nambarany fa misy ny fitarainana voarain’izy ireo ka rehefa atao ny fanadihadiana, olona any ivelan’ny rafitra mihitsy ireo mpanera ary milaza fa mahafantatra olona eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Ireo olona ireo no manambara fa afaka mampiditra ho miaramila na mpiasa sivily raha toa ka mandoa vola any aminy. Araka izany, atao izay hamantarana ny antony mahatonga ireo olom-pirenena tsotra mino sy manaiky izany. Eo koa ny fijerena ireo lesoka amin’ny fandaminana anatiny. Natomboka amin’ny atrikasa izany satria misy ny fenitra napetraky ny sampana miandraikitra ny kolikoly amin’ny hoe miainga avy amin’ireo mpisehatra ny famolavolana ilay politika anatiny sy ny paikady hapetraka mba hampahomby izany. Ity paikady ity, ahitana ny zavatra rehetra tokony hatao sy ny vokatra azo ao anatin’izany. Izany hoe tazana ao avokoa ireo singa hahafahana manao ny tombana sy ny fanaraha-maso entina manamarina fa voaaraka tsara ny paikady izay nifanarahana napetraka.
Jean Claude