Naman’i Yarisy… : maty voatifitra i Lex sy Manantany

Lavon’ny miaramilan’ny Base opérationnelle Avancée (BOA), Bravo, ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Ikopa (ZDS), afakomaly alina, ny jiolahy mpiray tarika amin’i Yarisy antsoina hoe i Lex sy i Manantany. Nandri­­tra ny fisafoana na­taon’ireo miaramila mpampandry tany no nahatrarana ireto dahalo mitam-piadiana mahery vaika ireto. Dahalo raindahiny ikoizana amin’ny asa fampihorohoroana sy famoretana ary halatra ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambo­hi­mirary, distrikan’Anjo­zorobe ireto maty voatifitra ireto. Tompon’antoka tamin’ny fahaverezana omby 120 isa tao Ambo­difahitra, ny volana marsa lasa teo, ireto malaso ireto, araka ny tatitra nampitain’ny miaramila hatrany. Teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny izy ireo no nifanehatra tamin’ny miaramila. Efa avy nifandona tamin’ny zandary tao Ambatoma­noina izy ireo ny maraina ka nahafatesana dahalo iray fantatra amin’ny anarana hoe Radada, dahalo iray tarika amin’izy ireo ihany io. Mitohy ny fisafoana sy ny fampandriana fahalemana ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-kianja.

Jean Claude

Partager sur: