Tontolo iainana: loharanom-bola ny fanodinana fako

Azo avadika ho harena ny fako enti-mamelona tokantrano sy olona maro. Tafiditra indrindra izany
amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana sy anatin’ny toekarena maitso.

Anisan’ny dingana iray anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fanentanana sy fampahafantarana ny momban’ny fahapotehan’ny zava-mananaina sy ny tontolo iainana. Tafi­ditra anatin’izany ilay hetsika “Ode ry Gasikarako”, natao teny amin’ny zaridainan’ Antanina­re­nina, omaly. He­tsika mampifandray ny zavakanto sy ny tontolo iainana. Nandritra izany, samy nitondra vahaolana ho an’ny fana­tsarana sy fiarovana ny tontolo iainana ireo mpandraharaha. Samy nampiranty ny vokatra azo avy amin’ny tontolo iainana ataony ireo tanora nandray anjara. Tao ireo nanodina ny fako ho loharanom-bola enti-mamelona to­kantrano. “Azo avadika ho harena ny fako, toy ny tavoahangy plastika. Izay ilay lalan-tsaina toekarena maitso”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena, Raharinirina Bao­miavotse Vahinala. Noto­hizany fa loharanom-bola no sady mampihena ny loto ny fanodinana ny fako. Azo atao, araka izany, ny miara-miasa amin’ireo mpisehatra samihafa, amin’ny alalan’ny hetsika toy izao.
Ezaka

Adidy iombonan’ny rehetra ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo iainana. Miainga amin’ny tsirairay ny ezaka tokony hatao. Tokony hitondra ny anjara birikiny ny olom-pirenena tsirairay. Eo koa ny orinasa isan-karazany, izay manana fahefana ara-bola sy ara-teknika amin’ny fametrahana ny andraikitry ny orinasa eo amin’ny fiaraha-monina (Responsabilité societal des enterprises). “Mila hamafisina ny toekarena manga sy ny toekarena maitso, izany hoe, mamokatra anatin’ny toetsaina miabo sy manaja ny tontolo iainana manodidina”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena. “Sami­ha­fa avokoa ireo vokatra hita eto an-toerana ary tanora avokoa ireo mpandraharaha mampiranty izany. Tanjona ny hampahafantatra fa mitsinjo ny tontolo iainana izahay anatin’ny vokatra natoraly ataonay”, hoy ny fanazavan-dRandrianirina Diamondra, mpandraharaha nandray anjara tamin’ny hetsika.

Henintsoa Hani

Partager sur: