Mahazo vahana ny aretina Sida eto Madagasikara. Manana ny taha ambony indrindra maneran-tany isika, izay tafakatra 230%. Ankoatra ny firaisana ara-nofo, mety mampiakatra ny antontanisa ny fitsindromana rôrô amin’ny fitaovana maloto sy ifandimbiasana.
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tao amin’ny Lapan’ Anosikely, tamin’ity herinandro ity, ny talem-paritry ny ONUSIDA misahana an’i Afrika atsinanana sy afovoany, Anne Muthoni Githuku-Shongwe, niaraka tamin’ny solontena maro avy amin’ny OMS sy ny Unicef.
Anisan’ny votoatin’ny diany eto Madagasikara ny fahitana ny toe-java-misy izay manaitra satria tafakatra hatramin’ny 230% ny tahan’ny tranga amin’ny Vih/Sida (taux d’incidence sur le VIH/Sida) eto an-toerana, amin’izao fotoana izao, taha izay ambony indrindra maneran-tany. Amin’ny taona 2030 no tokony hahatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny Firenena mikambana ary tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fahasalamana anatin’ny ODD fahatelo.
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona fa anisan’ny antony iray mampirongatra ny Vih/Sida ny fizahantany mamoafady ka tokony hosorohina. Misy ireo mpizahatany manao firaisana ara-nofo tsy voaaro amin’ireo mponina ao amin’ny toerana tsidihany eto Madagasikara
ka mampitondra faisana ireo vehivavy, indrindra ny tanora. Eo ihany koa ny firaisana eo amin’ny olona mitovy fananahana, araka ny nambarany.
Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, vonona ny andrimpanjakana hiara-hiasa amin’ireo mpisehatra iraisam-pirenena, toy ny ONUSIDA, satria maro ny faritra ahitana mpizahatany eto Madagasikara.
Mila ampiharina ny lalàna
Anisan’ny noresahana ihany koa ny fiparitahana sy ny fandraisana zava-mahadomelina, toy ny rôrô, mety hitarika ny fahazoana io tsimokaretina io, noho ny fampiasana fitaovam-panindromana ifandimbiasana. Manakorontana ny filaminam-bahoaka rahateo ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina ity ary loza mitatao ho an’ny tanora.
Ilaina koa ny fampiharana sy ny fanatsarana ny lalàna, lany ny taona 2005, momba ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo olona mitondra ny tsimokaretina Vih/Sida, hahafahan’izy ireo misitraka ny fitsaboana sahaza azy. Nambaran’ny talem-paritry ny ONUSIDA aty Afrika, Anne Muthoni Githuku-Shongwe, fa tokony hojerena akaiky ny fiarovana ireo olona mitondra ny tsimokaretina mba tsy hahatsiarovany tena ho voailikilika sy hisitraka ny fitsaboana feno sahaza azy.
Nohamafisina nandritra ny fihaonana fa ilaina ny fahazoana ny taha marina isam-paritra hampahomby ny fitsaboana sy ny fisorohana ny tsimokaretina.
Vonjy A.