Mampiroborobo ny toekarena malagasy ny fanomezan-danja ny asa tanana sy ny fanodinana ny fako ho vokatra azo ampiasaina andavanandro. Tafiditra anatin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina.
“Tokony homena lanja ny asa tanana malagasy noho i Madagasikara mbola voasokajy ho anisan’ny firenena tsy manana indostria”, hoy Rabetsialonina Moustane, talen’ny serasera eo anivon’ ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA), etsy amin’ny Gara Soarano. Haharitra telo andro ny hetsika, hita ao an-toerana avokoa ireo vokatra natoraly samihafa misy eto Madagasikara.
Betsaka ny olona mivelona amin’ny asa tanana. Mahavelona izany ary mivoatra manaraka ny toetrandro ny kalitaon’ny vokatra malagasy. Teo aloha natao tsizarizary sy tsy nomena lanja ny asa tanana. “Ankehitriny, misy ny politika napetraka hanovana izany, toy ny fanomezana karatra biométrique an’ireo mpanao asa tanana, mba hahafahany misitraka CNAPS. Ny fampindramam-bola tsy misy zana-bola amin’ny banky. Eo ihany koa ny fifanarahana amin’ireo biraon’ny ivon-ketra.”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Hizara karatra biométrique miisa 3.000 ny minisitera rahampitso, hampidirana an’ireo mpanao asa tanana eo amin’ ny sehatry ny ara-dalàna. Ankoatra izay, omena fiofanana ihany koa ireo mpanao asa tanana, ahafahany manatsara amin’ny fomba maharitra ny vokatra ataony. Toy ny fikarohana ataon’ireo mpisehatra enti-mamokatra sy hampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara.
Manodina fako
Ivontoerana mpanodina ny fako ho lasa asa tanana ny Welthungerhilfe (WHH), ao Toliara. “Mahavelona ny asa ary tafiditra anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany”, hoy Ramilanajoro Andréa, tomponandraikitry ny tetikasa. Mamadika ny baoritra sy ny plastika ho lasa vokatra ny tetikasa. “Maro ny miantsehatra amin’ny asa tanana vita avy amin’ny fako voahodina saingy mbola takona raha oharina amin’ ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry izay efa iharan’ny tsindry noho ireo akora fototra efa trandrahana. Antony mahatonga anay mampirisika ny mpanao asa tanana hirona bebe kokoa amin’ny fanodinana ny fako. Akora fototra hita isan’ andro izy”, hoy hatrany ny fanazavany. Tanjona ny hametraka tambajotra mpanodina ny fako ho lasa asa tanana. Efa miara-miasa amina trano fandraisam-bahiny samihafa ao Toliara ity tetiksa ity. Isan-karazany ny vokatra ataony, toy ny fanamboarana seza avy amin’ ny tavoahangy plastika sy ravaka plastika ary haingo trano vita amin’ny baoritra.
Henintsoa Hani