Araka ny tetikasa “Madagascar Terre de Football” izay ataon’ny LNR Sport Management, misy ny fitiliana malagasy mpilalao baolina kitra, eto Madagasikara. I Wassim Gharmoul, mpikambana ao amin’ny “Agence Obelisq” no hitily sy hijery ireo mpilalao etsy amin’ny terrain synthetique Mahamasina, ny 21 hatramin’ny 23 jona ho avy izao. Araka ny fanazavan’izy ireo, afaka mitsapa ny fahaizany avokoa ireo mpilalao teraka tamin’ny taona 2002-2005, na manana klioba eto an-toerana na tsia.
Noferan’ireo mpikarakara ho 2000 Ar ny fandraisana anjara amin’izany. Tanjon’izy ireo ny hampivelatra ny baolina kitra eto amintsika ary hanome vahana ireo mpilalao eto an-toerana handeha hilalao any ivelany. Ity hetsika ity, hiarahana izy ireo atao amin’ ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny klioba Jet Kintana. Marihina fa ny 18 jona ho avy izao no ho avy eto an-toerana ity vahiny na “agent recruteur” ity.
Fitia (Mpianatra asa)