Fanafihana mitam-basy : jiolahy saika hitsoaka, maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy tao Vohitrarivo Vangaindrano, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Efa tratra izy, saingy nikasa hitsoaka tampoka ka voatifitra. Naharay fitoriana ny polisy ao Vangaindrano fa nisy jiolahy nanafika tao amina tokantrano iray ao Antsorolala, fokontany Saha­voangy, kaominina ambani­vohitra Fonilaza, distrikan’i Vangaindrano, ny 26 mey 2023 teo. Voalazan’ireo niharam-boina fa sady hangalatra izy ireo no nikasa hamono ihany koa. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny polisy fa ekipan-dry Manambitana (jiolahy raindahiny malaza amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny) ireto jiolahy nanafika ireto izay tsy zoviana amin’ny mpo­nina ao an-toerana. Efa nampikaikaika ny vahoaka any, amin’ny asan-jiolahy, ry zalahy ireto. Niroso tamin’ny fisamborana ity jiolahy ity ny polisy afakomaly. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fisamborana ary nanaiky ny hanondro ny namany rehetra mpiara-manao asa ratsy aminy. Nentin’ny polisy izy mba ahafahana misambotra ireo na­many ao Vohitriarivo, kanjo nirifatra nitsoaka tampoka. Voatery nitifitra azy ny polisy ka maty tsy tra-drano izy noho ny ratra mafy nahazo azy.

Jean Claude

Partager sur: