Maherin’ny 15 ireo fotodrafitrasa vita tao anatin’ny programan’asa ifarimbonana hanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizary (PIATT), eto Antananarivo. Nisitraka izany, ny fokontany Andavamamba Anatihazo I, Manarintsoa Afovoany, Manarintsoa Atsinanana ary Manarintsoa Anatihazo. Tonga nitsidika izany ny ben’ ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny solombavambahoakan’ny boriborintany voalohany, omaly.
Maro ny fotodrafitrasa vita teny anivon’ireo fokontany ireo toy ny tetezana, toeram-panasan-damba, bloc sanitaire, zaridaina, fananganana sy fanatsarana biraom-pokontany, trano fidiovana, toeram-pilalaovana … Nahafaly ny mponina avokoa ireo satria namaly ny filàn’izy ireo, raha ny fanazavana. Tanjona ny hampivoarana sy hanatsarana ny toe-piainan’ ny mponina sy ny tontolo iainan’ ireo mipetraka eny amin’ny toeram-ponenana tsizarizary. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany, ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ary ny Un habitat.
Mino (mpianatra asa)