Hiragasy: nodimandry Rafetisamimanana Andohavary

Lavo ny andrarezina ! Ara­ka ny vaovao nampitain’i Da­dafara Lt Production, filoha le­fitry ny Federasion’ny mpihiragasy, nodimandry ny 7 jona 2023, tamin’ny 1 ora ma­raina, teo amin’ny faha-81 tao­nany, Rafetisamimanana Andoha­vary. Vao ny faha-15 taonany izy dia efa nirotsaka nanao hiragasy. Izany hoe, 68 taona nanaovana ity zavakanto sady kolontsaina ity izy, izao nin­daosin’ny fahafatesana izao.
Anisan’ny nahafantarana an-dRafetisamimanana Andohavary ny fahaizana mikabary ao anaty hiragasy. « Zana-dRasamimanana An­do­havary izy. Lehilahy manana ny maha izy azy eo amin’ny fikabariana anaty hiragasy io rainy io. Rafetisamima­nana no azo lazaina fa nandimby azy », hoy i Dadafara.
Mirary fiononana feno ho an’ny tontolon’ny hiragasy sy ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: