Ivokolo Analakely : miavaka ny haikanto vita amin’ny plastika

Tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely ny varotra fampirantiana mitondra ny lohateny hoe “Topy maso ho an’ny fahaleovantena ». Ny Association des Artistes Plasticiens de Madagascar na AAPMCAR no mikarakara ny hetsika, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanomboka ny 5 jona 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 20 jolay 2023 izany hetsika izany. Asongadin’ny mpahay kanto mandritra ity varotra fampirantiana ity ny haikanto vita amin’ny plastika maro samihafa. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanomezana sehatra sy hiantsorohana ny mpahay kanto amin’ny plastika, ary hampiroboroboana izany karazana haikanto izany.
Ampolony ny sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny AAPMCAR miranty eny saingy efa anjatony ny haikanto afaka jifaina, vitan’ireo mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity. Asongadina manokana ao anatin’izao hetsika izao ny haikanto maneho ny tolona sy ny ady ho an’ny fahaleovantena nataon’ireo maherifo, tamin’izany sy ny manodidina ny fahaleovantena. Ankoatra izay, manampy betsaka amin’ny fandrindrana ny fiparitahan’ny plastika ihany koa ny haikanto sahala amin’itony. Izany indrindra no anaovan’ny mpikarakara antso avo ho an’ny rehetra hitsidika ny fampirantiana

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: