Kalitaon’ny kakao : hodinihina eto Madagasikara

Hodinihina eto Madagasi­kara ny kalitaon’ny kakao vo­katry ny adihevitra natao tany Abidjan renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny taona 2019. Eto An­tananarivo, eny Anosy, no ha­naovana ny dinika na « panel » ka hisy manampahaizana ma­nokana hanatrika izany amin’ ireo sehatra rehetra voakasiky ny kakao. 12 izy ireo, avy amin’ ny sehatra tsy miankina sy miankina, solontenan’ny faritra mpamokatra sy mpanjifa kakao. Ny vokatra kakao malagasy dia sokajina ho anisan’ny tsara indrindra maneran-tany. Tan­jona, hoy ny filankevitra nasionalin’ny kakao, ny hitazonana izay fenitra izay na nitombo avo roa heny aza ny vokatra naondrana. 7 500 t lasa 15 000 taonina, araka ny fanazavana azo.
Mandritra io hetsika iraisam-pirenena hotontosaina eto Antananarivo, ny 12 ka hatramin’ny 14 jona io, hisy ny fampahafantarana misimisy kokoa momba ny sehatr’asa manodidina ny kakao hanasana ny besinimaro. Nankinin’ny Sam­pandraharaha iraisam-pirenena mikarakara ny kakao (ICCO) amin’ny nasionalin’ny kakao (CNC) eto Madagasikara ny fanomanana ny fivoriana hatao isaky ny efatra taona. Aorian’ny fihaonana, hamoaka fehin-kevitra sy ny antontan-kevitra momba ny kakao ny mpivory.

Vonjy A.

Partager sur: