Krizy lalina

Mampalahelo ny zava-misy eto Madagasikara. Manom­boka eny ifotony rehetra eny ny olana mipaka amin’ireo heverina ho lohan’ny firenena. Taiza sy oviana no nisy izany hoe tsy mifanome hasina intsony ny andrimpan­jakana. Tsy tahotra tsy henatra, imason’olon-tsotra, ivelan’ny rafitra sy ny mpanao gazety, no mifandramatra toa zaza mifana­rakaraka ireto olom-boafidy. Efa nololohavina an-tampon’ny loha, saingy toa mandraraka ilo mby an-doha. Ny lalàna fototra mifehy ny firenena aza efa tsy misy mpiraharaha intsony. Tampoka eo, misy mitroatra ny handrava ny birao maharitry ny Antenimiera. Ireto farany izay nanao mpitari-bato vilam-bava, omaly. “Ningitrika”, tsy nisy nipoitra namonjy ilay fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny parlemanta.
Mibaribary izao ny krizy eo amin’ny andrimpanjakana. Nahagaga ny nahita ny praiminisitra, tsy nahazo trano fandraisam-bahiny, na ho mariky ny fanajana fotsiny aza. Nivezivezy manerana ny Lapan’i Tsimbazaza. Sanatria nitsolantsolana toa vinanto tsy nahare fosa. Ny tompon-trano tsy nisy teny an-toerana. Tsy nisy hajany no azo namakiana ny zava-niseho. Solombavambahoaka iray monja no niandry azy ara-potoana. Nivezivezy toa ireny tsy raiamandrenin’ny firenena ireny, amin’ny maha lehiben’ny mpanatanteraka azy. Maty hasina niaraka tamin’ny mpikambana amin’ny governemanta, izay tarihiny.
Taratry ny zava-misy sy izay mbola hiseho eto amin’ny firenena ireny. Efa samy maka ho azy ny hery velona rehetra. Tsy hanavahana fa hatrany amin’ny mpitondra tokony ho fitaratra aza efa vakivaky sy mifamotika ampahibemaso tahaka izao. Aiza izany rehefa handeha eo io fifidianana io? Inona no antoka hahafahana hilaza fa tsy hifandramatra tahaka izany ny mpanohana ny kandidà isan-kazarany ho avy eo? Hirarakompana ny fampisehoan-kery sy ny vola. Iza no hanaiky tsy hahazo fandresena aorian’izay? Tsy hisy hiditra fatiantoka izany velively.
Amin’izao fotoana izao, misy io resaka hoe sata momba ny fitondran-tena ho an’ny mpanao politika na ny antoko io. Maninona no misy izany amin’izao volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana izao? Mamofompofona tranga hafahafa eto an-tanàna. Na izany aza, efa miely ny vaovao mahakasika izay ho filoha ho lany eo, fa tsy ho olon’antoko aloha, fa tsy maintsy olona tompon’ny vola sy ny hery. Mazava be fa raha vao vola no milalao, dia izay mampiasa betsaka no ho tafa. Saingy loza mitatao ho an’ny vahoaka malagasy izany satria fampiasam-bola mitady tombony, tahaka ny “bizna” rehetra ihany.
Mila fahamalinana ny zava-miseho eto Madagasikara, ankehitriny. Samy tompon’andraikitra amin’izay hiseho ny olom-pirenena rehetra monina eto, tsy misy anavahana!

r.r

Partager sur: