Tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina mandritra ny telo andro ny « Salon de l’électricité des énergies renouvelables et des hydrocarbures », andiany faharoa. Anisan’ny firenena miditra amin’ny fampiasana angovo azo havaozina i Madagasikara. Antony nahatonga ny hetsika ny fampahafantarana ireo angovo samihafa azo ampiasaina andavanandro ankoatra ny herinaratra. Maro samihafa ny zavatra hita eny an-toerana eo amin’ny sehatry ny fampiasana angovo azo havaozina. Misy ny fampirantiana isan-karazany sy famarotana ireo kojakoja ilaina amin’izany. Tsiahivina fa nanomboka ny alakamisy 8 hatramin’ny sabotsy 10 jona izao ny hetsika.
Ankilan’izay, nanamafy ny minisitry ny Angovo, Andriamanampisoa Solo fa hifarana ny sabotsy izao ny delestazy lavareny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa tonga eto an-toerana ireo solika mavesatra hoenti-manodina ny herinaratry ny orinasa Jirama.
Henintsoa H.