Misy tsy mahalala akory ny tanin-drazany: nanjary tsy misy fototra sy very hasina ny Malagasy

Tahaka ny ompa atao amin’ny Malagasy ny fiheverana fa very tanin-drazana, na inona antony na inona antony. Lalainy fatratra ny tanin-drazany satria nipoiran’ny razany sy mbola hiafarana rahatrizay. Sarotiny amin’io izy, hany ka miantso tody sy manozona raha sendra mahita olona sahy manimbazimba ny tanin-drazany…

… Saingy, taloha izany, fa ny ankehitriny ? Ma­nomboka miha maro ny Malagasy no tsy mahalala akory ny tanin-drazany. Toa tsy misy lanjany amin’ny Malagasy sasany intsony ny tsy fananana tanin-drazana mazava, na ny tsy fahafantarana fa avy atsy na avy aroa ireo razambe nipoirany, na ny fahafantarana fa itsy ny tanin’izy ireo…. Teo no naha olona ny razany, sns.
Tranga efa misy sy fahita tao anatin’ny taona maromaro aza ny fisolokiana na fangalarana tanin-drazan’olon-kafa. Mety ho vokatry ny tsy fahalalana, fa mety ho fanahiniana tsotra izao noho ny tsy fananana tanin-drazana. Mety ho finiavana te hanova tantara ihany koa. Io tranga io no mikiky tsikelikely ny hasin’ny tany satria miteraka fahaverezam-pototra sy fahadisoana goavana any aoriana.
Ho an’ny Malagasy, sin­ga iray nahafahany mandamina sy mandrindra ny fiainana sy ny fiainan’ny taranany ny fisian’ny tanin-drazana. Tsy haitraitra fa fitsinjovana ny hoavin’ireo fara sy dimby. Raha mby eo amin’ny fotoana tokony hanambadiany ny tanora, fahiny, iray amin’ireo hanontaniana azy ireny ny tanin-drazan’ilay tovovavy na ny tanin-drazan’ilay zatovolahy.

Fikatsahana izay mahasoa
Ankoatra ny tranon-drazana, ireo tany navelan’ny razana, anisan’ny mirakitra zava-dehibe ny tantara, ny fomba, ny fady, ny soatoavina, sns, navelan’izy ireo. Io no anisan’ny mahatonga ny Malagasy, fahiny, (mbola misy mitazona ihany koa ankehitriny) hanao fanadihadiana lalina rehefa hiroso amin’ny fanorenan-tokantrano, ny taranany. Tsy te hanan-dratsy ny Malagasy, satria, mety ho mpifahavalo, na nifamotika, na mpifady tsy afaka ny hikambana, sns, ireto hivady na ny razamben’izy roa tonta. Ny tantara no ahafantarana izany. Any an-tanin-drazana no mahatahiry ny tantara !
Noho ny tsy fahafantaran’ny Malagasy sasany ny tanin-drazany anefa, tsy ho fantany ihany koa ny tantarany. Tsy ho fantany ny fombany, ny fadiny, ny hafatry ny razany, sns. Very ny fototra, hany ka mandeha anjambany fotsiny ny taranaka aty aoriana. Tsy mahagaga raha tonga ho azy ireo zava-tsy ampoizina. Marihina anefa fa noho ny fananan’ny Malagasy ilay hasina maha olona, mitera-doza sy zava-dratsy ny fandikana ny hafatra (fomba, fady, tantara…), napetraky ny teo aloha.

Tsy mahagaga raha…
Sady tsy mahafantatra ny tanin-drazany, ny tantaran-drazany, ny fadin-drazany, ny fomban-drazany, sns, ny am­pahana Malagasy… Tsy ma­hagaga raha mananika mi­andalana any amin’ny fahadisoam-panantenana ny fiainam-piarahamonina malagasy. Ny tenany aza tsy fantany ka ataony ahoana ny ahafantatra ny hafa ?
Ambara hatrany fa tany manan-kasina i Madagasika­ra. Ny fitambaran’ireny fom­ba amam-panao, ny fady, ny kolontsaina, sns, ireny no mahatonga io hasina goavana be io. Noho izany, mila hajain’ny tsirairay ny momba azy manontolo !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: