Anisan’ny mampitaraina ny mpitatitra ny fahasimban’ ny lalam-pirenena fahadimy mampitohy an’i Toamasina sy Mananara avaratra. Mazàna atao iray andro maninjitra ny dia. Mbola miantoka solika ihany koa ny fiara rehefa miampita ireo baka samihafa. Mandany hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ny fanarenana ny fiara, noho ny fahasimbana miompampana. Mila soloina isaky ny mahavita dia in-telo ny kodiarana miaraka amin’ireo kojakoja samihafa. Ny alatsinainy teo, mitotaly sivy ny fiara tojo fahasimbana tamin’ izany.
Misy sokajiny roa ny saran-dalana ho an’ny taksiborosy mampifandray ny faritra. Mitentina 120.000Ar ny saran-dalana ho an’ireo izay mipetraka aty aloha raha 100.000Ar kosa ho an’ ireo ao afara. Ankoatra izay, mbola handoavana sarany manokana ihany koa ny entana mihoatra ny 20 kilao.
Ora maro
160 km ny elanelan’i Toamasina sy Soanierana Ivongo nefa atao mandritra ny 7 ora ny lalana. Mielanelana 120km kosa avy eo Soanierana Ivongo mandeha Mananara Avaratra kanefa maharitra 16 ora 30 minitra ny dia. Tsy maintsy miampita baka im-pito ny fiara ary hiantohana solika ny telo amin’ireo,
ao Ivontaka sy Vahibe ary Agnove. Ankoatra izay, potika ihany koa ny lalana namboarin’ireo teratany sinoa. Nivadika ho fotaka ny lalana ka mananosarotra ny fandehanana aminy na ho an’ireo mpandeha an-tongotra aza.
Sajo