Naneho hevitra manoloana ny tsy naharaikitra ny adihevitra momba ny tatitry ny governemanta, tokony ho niarahana amin’ny depiote ny Praiminisitra, Ntsay Christian. “Tany demokratika isika, lapan’ny demokrasia ny Antenimierampirenena ka manaja ny fandaminan’izy ireo izahay. Tonga ny governemanta rehefa nantsoina hiatrika ny adihevitra, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana”, hoy izy. Nohamafisiny fa anjaran’ny samy depiote ny nanapaka ny hanohizana na tsia ny adihevitra.
Etsy andaniny, nitondrany fanazavana koa ny momba ny fanitsiana ny tetibola “LFR”, araka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Nambarany fa azo iasana araka ny tokony ho izy ny tetibola amin’izao fotoana. Efa nojerena ny fomba itantanana izany. Harindra ny ao anatiny, araka ny filàna izany. “Antony nandraisan’ny filohan’ny Repoblika sy ny filankevitry ny minisitra fanapahana ny tsy hanaovana ny LFR. Tsy voatery hatao izany fa azo alamina”, hoy ihany izy.
Synèse R.