“Vonona hiara-hiasa amin’ ny Bianco izahay amin’ny mety ho fomba sy paikady rehetra hampihenana ny fanodinkodinam-bola sy ny fanararaotana fananam-panjakana”, hoy ny tale jeneralin’ny Inspection générale de l’Etat (IGE), Randrianarivony Daniel, tamin’ny fanaterana fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco, Ambohibao. “Amin’ny toerana misy anay sy ny andraikitra tazoninay, tonga izahay hanome ohatra sy maodely ny mpiasam-panjakana hanao an’izany fanambaram-pananana izany araka ny lalàna”, hoy izy.
Ny antony nanaovany izany ho an’ny namana sy ny vahoaka. Azo ianteherana ny IGE amin’ny fanokafana fanadihadiana iadiana amin’ ny fanodinkodinam-bola sy ny fanararaotana fananam-panjakana ary izay heverina ho tsy mitombina nefa mampihemotra sy mampilatsaka ny firenena. Efa nahavita fanambaram-pananana ireo mpiasan’ny IGE any amin’ ny faritany.
“Anisan’ny fampisehoana ny fahitsiana voalohany indrindra ny fampisehoana ny fananana azo. Raha fananana azo tamin’ny fahamarinana sy ara-drariny, tsy tokony hisy hahamenatra sy hatahorana”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat. Nanentana ireo tomponandraikitra samihafa voalazan’ny lalàna fa tokony hanao fanambaram-pananana hamita ny anjarany amin’izany izy.
R. Nd.