Hankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny fikambanana Sampati (mpanazava sy tily) eto Madagasikara, ny 29 jolay ho avy izao. Nisy, araka izany, ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foibe FJKM Analakely, omaly. Nampahafantarana ny fizotra sy ny hetsika rehetra hatao mandritra izany. “Mizara ny mazava” ny lohahevitry ny hetsika amin’ity taona ity. Hotanterahina eto amin’ny faritra Analamanga, ny volana jolay izao, ny ivon’ny fankalazana. Ivondronan’ireo mpikambana Sampati rehetra eto anivon’ny synodam-paritan’Antananarivo. Maro ny hetsika karakarain’izy ireo (diabe manodidina ny farihin’Anosy, lalao maro samihafa, hetsi-panabeazana amin’ny endriny isan-karazany…). Tanjona ny hampandrosoana ny firenena sy ny fiangonana. “Miavaka ny fanabeazana ny ankizy ao anatin’ny fikambanana satria ahitana singa enina izany (ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ara-piarahamonina ary ara-moraly)”, hoy ny filoha nasionalin’ny Sampati FJKM, Randriamanantenasoa Jean Jacques. Nilaza izy fa ampiana ny ankizy mba ho vavolombelon’i Jesoa Kristy sy ho lasa olom-banona ary ho andrin’ny fiainakaviana sy ny firenena. Hihaona eny Ambohidratrimo ny Sampati manerana an’i Madagasikara, ny aogositra ho avy izao.
Mino (mpianatra asa)