Toy ny fanao isan-taona, hampiranty ny vokatra malagasy ao amin’ny “Label Malagasy ny antsika” ny sendikan’ny indostria malagasy (SIM), amin’ity volana jona ity. Haseho sy hisongadina eny amin’ny magazay sy tranombarotra lehibe 14 eto andrenivohitra isaky ny faran’ny herinandro ireo vokatra malagasy. Tanisaina amin’izany ny Jumbo, U Express, Shop Liantsoa, Supermaki sns. “Tanjona ny fiaraha-mientana ara-toekarena sy ny hanehoana ny firaisankina fa mifampitsinjo ary mifanohana ny Malagasy. Ao ihany koa ny fampahafantarana fa tsara ary tsy mena mitaha amin’ireo vokatra avy any ivelany ny vita malagasy”, hoy Rajoelisoa Solotiana, tale mpanatanteraky ny SIM, omaly. Hisy ny fanentanana sy lalao samihafa hataon’ireo orinasa mivondrona ao amin’ny Label Malagasy ny antsika hanatanterahana ny hetsika. Hisy ihany koa ny fihenam-bidy amin’ireo vokatra samihafa. Natao izany rehetra izany ho fampahafantarana fa tsara sy manana kalitao ary manaraka ny fenitra takin’ny famokarana ny vokatra eto amintsika.
Tsiahivina fa hahafahana mampivoatra ny vokatra vita eto an-toerana ny fidiran’ny orinasa iray ao amin’ny Label Malagasy ny antsika. Antoka iray anisan’ny hanehoana ny vokatra tsara sy manaraka ny fenitry ny famokaran’ny orinasa iray, “labélisation”.
Henintsoa H.