Tany amin’ny taona 1980-2007 no anisan’ny nahazo vahana teo amin’ny isan-tokantrano ny fihainoana tantara alefan’ny Radio. Somary hadinodino izany tao aoriana noho ny fivelaran’ny serasera sy ny fitaovana mifanaraka amin’izany. Ankehitriny, manomboka miverina ny fitiavan’ny Malagasy mihaino tantara. Manoloana io tranga io, hanatanteraka atrikasa sy loabary an-dasy ny Vondron’ny mpiangaly tantara – Madagasikara (V.M.T.M). hetsika hotanterahina ny 21 jona izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny E.P.P Analakely.
Hiompana amin’ny fanoratana sy filalaovana ny tantara fihaino ny lohahevitra. Hitarika ny atrikasa i Mbolaranto Ramanantsoa sy Randrianindrina S. Zoelson (Zo Maminirina) ary Ralala Robson Charles, izay samy manana traikefa matanjaka amin’ny filalaovana tantara fihaino.
Amin’ny ankapobeny, anisan’ny fanakianana mahazo ny mpanoratra tantara fihaino, matetika, ny fisian’ny fifanojoan-javatra (na fifanojoana tranga) maro loatra ao anatina tantara fihaino iray. Azo inoana fa ho voaresaka ao anaty loabary an-dasy ny momba izay !
HaRy Razafindrakoto