Tetikasan’ny Fifa : efa manomboka ny hetsika “Football for School”

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny sekoly St Michel Amparibe, ny tetikasan’ny Fifa “Foot­ball for Schools” (F4S), eto Madagasikara. Miisa 36 ireo sekoly hanaovana ny andrana voalohany amin’ity tetikasa ity. Ankoatra izay, notolorana fitaovana toy ny baolina sy mari-pankasitrahana na “dip­lôme” mahakasika izany, avy amin’ny Fifa ireo mpanabe ny taranja EPS, miisa 42, hampiofana ireo mpianatra manodidina ny 4 hatramin’ny14 taona, eto amintsika.
Marihina fa nanaraka fiofanana nandritra ny roa andro, ny 6 sy 7 jona lasa teo, ireo mpampianatra ireo. Notari­hin’ireo tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny Fifa ny fiofanana. Anisan’izany ry Fatimata Sow Sidibe, tale mi­sahana ny hetsika F4S sy i Antonio Buenaño, mpandrindra ny F4S ary i Melvin Mendy.
Araka ny fanadihadiana natao, notsongaina tamin’ireo ligy 13, tao anatin’ny 22 misy eto amin’ny Nosy, ireo sekoly ireo. Nomarihin’Andrianiony Victorien, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa mbola hisokatra ho an’ny faritra rehetra ny tetikasa.
Tsara ny mampahafantatra fa izy ity dia hetsika hiarahana manantanteraka amin’ny mi­nisiteran’ny Fampianarana sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Araka ny fikarohana natao, ny “Football For Schools” dia tetikasa iarahan’ny Fifa amin’ ny Unesco. Tanjon’izy ireo ny hanome vahana ny ankizy, amin’ny filalaovana baolina kitra tsy misy fanavahana na lahy na vavy sy ny hanabe azy ireo ho lasa olom-banona eny anivon’ny fiarahamonina.
Anisan’ireo firenena 16 eto Afrika misitraka ity tetikasa ity i Madagasikara, raha toa ka efa ho 54 no misy an’izany maneran-tany.

Fitia (mpianatra asa)

Partager sur: