« 14ème Slam national » : efa fantatra ny datin’ny hetsika

Fantatra taorian’ny fandraisan’anjaran’i Madagasi­kara, tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany fa hotanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023, eto Antananarivo, ny «Slam National» andiany faha-14, karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Maro ny ezaka entina hanatsarana ity andiany faha-14 ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra mpikarakara. Efa manomboka mahazo laka eto Madagasikara ny Slam Poè­sie, ary efa maro ny tanora miangaly sy liana amin’izany. Hita ihany koa fa efa manana ny maha izy azy ny Slam Poèsie malagasy, raha ny hita nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany.
Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy Slam Poèsie ny «Slam National». Mihaona sy mifampizara ary mifandray avokoa ny mpiangaly ity taranja ity mandritra io fotoana io. Amin’io ihany koa no hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly, hamantarana izay hisolotena an’i Madaga­sikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany manaraka eo. Fifaninanana sy fiofanana ary atrikasa no hameno ny fandaharam-potoana mandritra ireo andro hanatanterahana ny hetsika “Slam national”, andiany faha-14, ireo.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: