Roa lahy mpanao sinto-mahery eny amin’ny manodidina an’Ambodivona voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny CSP3 afakomaly. Olon-tsotra hamonjy fodiana any amin’ny faritra no tsikaritr’ireto olon-dratsy ireto nitondra enta-mavesatra. Narahin’izy ireo moramora avy aoriana, nalatsany tao afovoany ka lasa ny finday. Tetsy ankilany, efa nahita azy mirahalahy ny polisy ka nanaraka azy ireo. Noraisim-potsiny taorian’ny asa ratsiny ireto mpanao sinto-mahery ireto. Naverina tamin’ny tompony kosa ilay finday. Atolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana azy ireo roa lahy.
Tsiferana R.