Antohomadinika : mpianaka mpanaparitaka rôrô

Noraisim-potsiny! Maro ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ireo tanora mandray zava-mahadomelina eny Antohomadinika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny polisy manao fanamaniana sivily avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67ha teny an-toerana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa mpianaka no anisan’ny mpanaparitaka roro ao Antohomadi­nika atsimo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy mianaka. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny roa lahy avy nividy sy nitsindrona. Nanamafy ny polisy fa ankoatra ny fidinana ifotony ataon’ny polisy toy izao, mitohy koa ny fanentanana ataon’izy ireo eny anivon’ny sekoly ho an’ny mpianatra hiady amin’ny zava-mahadomelina.

Jean Claude

Partager sur: