Vita afakomaly ny fanadinana ara-panjakana teo anivon’ny ivontoeram-panofanana Eccova, manerana an’i Madagasikara. Naharitra roa andro, natao ny 7 jiona ny adina an-tsoratra ary 8 jona lasa teo ny adina fampiharana ho an’ireo mpianatra. Niompana tamin’ny fanjairana gilet ny adina tamin’izany. Mahatratra 15 ireo ivontoerana ary maherin’ny 400 ireo ankizy nandray anjara tamin’izany manerana an’i Madagasikara.
Mahasarika tanora malagasy maro ny fianarana asa fanjairana, raha ny zava-misy eto an-toerana. Manodidina ny 800 isan-taona ireo ankizy mivoaka eo anivon’ny toeram-panofanana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny sekoly. Vehivavy avokoa ny 90% n’ireo mpianatra, raha toa ka 10% ny lehilahy eo anivon’ny sekoly tamin’ity taona ity. Efa miasa ary manana ny orinasany manokana ny ankamaroan’izy ireo aorian’ ny fiofanana, raha ny fanazavana. “Manampy azy ireo ho tonga amin’izany ny lentan’ ny fampianarana sy ny fahaiza-manaon’ireo ankizy hitia sy hirona amin’ny asa famoronana amin’ny fanjairana lamaody tsy misy mpanana, raha oharina amin’ny hafa”, raha ny fanazavana hatrany. Nisy ny fiaraha-miasa eto amin’ny ivontoeram-panofanana sy ny minisitera mpiahy (Ministère de l’enseignement technique et de la formation professionnelle) ary ireo mpiara-miasa maro samihafa ka nahafahana nanao izany. Anisan’ny nanara-maso ny ankizy nanao ny fanadinana ny solontenan’izy ireo. Misy karazany maro ny faharetan’ny fiofanana (11, 9, 6 ary 3 volana) izany. Hotanterahina amin’ny jolay ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra eto Antananarivo, amin’ity taona ity.
Mino (mpianatra asa)