Famakiana fiarana ben’ny Tanàna : roa lahy nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Ambalatavoahangy ny jiolahy roa, raha nahazo fahafahana kosa ny iray hafa. Tompon’ antoka tamin’ny famakiana ny fiaran’ny ben’ny Tanànan’i Sambava, ny 23 mey lasa teo ry zalahy ireto. omaly, araka izany, vao nifarana tanteraka ity raharaha ity. Nandritra ny fivorian’ny governoram-paritra 23 sy ny ben’ny Tanàna manerana ny Nosy, tao Toa­masina, no nisian’ity halatra sy fahavakisana fiara ity. Ni­ja­nona teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny kintana efatra nampiantrano ny fivoriana ny fiara ka nidiran’ireo jiolahy. Raha ny angom-baovao, ny andron’io ihany dia efa voasambotry ny polisy avy ao amion’ny kaomisaria foibe sy ny UIR ireo jiolahy telo ahina ho namaky ny fiara (mpamily bajaj sy bajaj nitondra ny halatra nitsoaka ary jiolahy hafa namaky ny fiara). Efa mpamerin-keloka raha mbola nokarohina ny iray hafa nandritra ny fotoana ela. Nandritra ny fisavana ny tranon’ity jiiolahy tratra ity no nahitana entana halatra maromaro sy tablette roa izay voaporofo fa an’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana, very nandritra ny fankalazana ny faha-65 taona ny Lycée Jacques Rabe­mananjara. Noporofoin’ny talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena izany, raha naseho azy ireo. Efa tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo vola vahiny very sy ny tablette roa. Nitohy hatrany ny fi­karohana ka tratra ny talata 6 jona 2023 teo ny jiolahy iray.

Jean Claude

Partager sur: