Fampandrosoana an’Antananarivo : miara-miasa amin’ny kaominina ny mpivarotra sy ny mponina

Nanao soniam-piaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo fikamban’ny mpivarotra sy ny mponina manerana ny boriborintany enina, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanarahana. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana 27 ireo mponina, ao anatin’ny fikambanana dimy ireo mpivarotra, izay manerana ny boriborintany enina. Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny tanàn’Antananarivo mba hilamina sy hivoatra ary maha te-honina, raha ny fanazavana.
Nilaza ny fahavononany hiara-misalahy amin’ny kaominina ny mponina sy ny mpivarotra mba hanomezan-danja ny tanànan’Anta­nana­rivo. “Resy lahatra ary mahatsapa izahay fa manana andraikitra amin’ny fandaminana ny tanàna”, raha ny fanazavana hatrany. Afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana re­hetra mikasika ny andavanandron’ny mponina eny ifotony ireo fikambanana ireo. “Entanina, araka izany, izy ireo mba hanaiky ny fandaminana eny anivon’ny tsena sy hanaja ny fepetra rehetra mikasika ny fanajana ny fo­to­drafitrasa vita sy misongadina eto amin’ny faritr’Ant­a­na­narivo mba hanatsarana sy hampivoarana ny Tanà­nan’Antananarivo”, hoy ny ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: